You are here

TANORA , MIRAY HINA, SY MANDRAY ANDRAIKITRA OMEO LANJA NY ASANAO!

Ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ny Fonds des Nations Unies pour la Population (UNFPA) dia mikarakara Fifaninana Nasionaly Lehibe izay entina hampiroboroboana ny famoronana tetik'asa ho fampandraisana andraikitra ny Tanora, eny amin'ny ireo Faritra 22 eto MADAGASIKARA.

Ny tanjon'ny fifaninana dia hampiroborobo ny fanomezana sehatra ny tanora ho fampandrosoana an'i Madagasikara, ka hanomezan-danja ny fandraisana anjaran'izy ireo ho fampandrosoana miantraika amin'ny olon-drehetra. Ny tetik'asa ho vatsiana dia ireo izay hitondra fanatsarana manokana amin'ny fiainana andavan'andron'ny tanora.
Ny fifaninanana dia misokatra ho an'ny fikambanana na vondrom-pikambanana tanora ao anatin'ny salan-taona 15 hatramin'ny 30 taona, izay manana tetik'asa ho fampandrosoana ny tanora ao amin'ny faritra misy azy ka mahakasika ireto lohahevitra manaraka ireto :
 ny fahasalamana

 ny fanofanana
 ny andraikitra amin'ny maha -olompirenena
 ny asa sy ny fandraharana
 ny tontolo iainana

Ny modelin'ny taratasy fandraisana anjara sy ny fitsipiky ny fifaninana dia azo jerena eny amin'ny biraon'ny Talem-paritra miadidy ny Tanora, ny Biraon'ny Distrika, ary ny Tranoben'ny Tanora (CAPJ teo aloha) ao amin'ny toerana misy anao, na koa afaka alaina ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny :
 Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena http://www.mjs.gov.mg
 UNFPA Madagascar : http://countryoffice.unfpa.org/madagascar

Ny fe-potoana farany fandraisana ny antontan-taratasy fandraisana anjara amin'ny fifaninanana dia ny Zoma faha-24 septambra 2014, izay apetraka eny amin'ny biraon'ny :
- Talem-paritra miadidy ny Tanora
- Tranoben'ny Tanora
- Na alefa mailaka amin'ity adiresy manaraka ity :concoursnational2014@gmail.com
Na afaka miantso ireto laharana finday ireto : 032 74 139 18 na 034 24 486 02